Mety hisy ve ? (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mety hisy ve vaovao mahafaly,
Hoe hipetraka ao an-dakilasy
Hianatra daholo, ireo zaza malagasy ?

Mety hisy ve ilay taona soa
Tsy hisy rivo-doza, fa ho tena zina
Taona iray ho fararanom-pifaliana?

Mety hisy ve ny olo-manga
Vonona hijoro sy hitsangana hanala
Ny tsindry hazolena mamanala ?

Mety hisy ve tontolo iray vaovao
Tsy ahitana fahantrana
Sy ireo kolikoly mankalao ?

Mety hisy ve maraina tena mavana
Ilay rahampitsonao Ramalagasy
Izay efa leon’ny mihafihafy ?

Mety hisy ve nofy ts’isy fetra
I Madagasikara tena handroso
Eo amin’ny sehatra rehetra ?

Ny Kanto. Parisy Septambra 2004-09-03.
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
988 1
Hevitra mandeha
bichette ( 06/09/2004 09:04)
Mety hisy marina ve amin'izao vanin'andro hiainantsika izao ... aoka ho feno fanantenana hatrany isika.
Bichette
Malalason ( 07/09/2004 10:01)
Eny mbola hisy izany
Amin'ny Andron'ny taranako
dia ny zanako,
RJO
andriary ( 07/09/2004 12:17)

Ny androany dia indrisy
Fa rahampitso angamba hisy
Fiovana misandrahaka
sady fankan-tahaka!

Zaho mino marimarina
Gasikara ho tafarina
Ka hanidina tsy tana
Handresy reny fahantrana

Zaho mino ihany koa
Rahampitso dia hifoha
amin'ny andro mibaliaka
Anjara masoandrontsika

andriary
tsara ny tonokalo!hita fa mankamamy nytanindrazana na dia lavitra aza! io ny antsika!
yonikafopl ( 08/09/2004 18:58)
hummmmmm
mahavelombola ny fitiavantsika namana ilay Gasikara malala, koa izaho mino fa mbola hisy , eny mbola hisy ny fandrosoana
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 06/09/2004 08:01
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115