Mety ve ? (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mety ve :

Raha fitia matory
No hotairinao, hofohazina
satria ianao no taitra

Raha Voankazo mbola manta
No handramanao hotazana
satria ianao no maika

Raha ny alin-diavolana
No lazainao fa atoandro
satria ny masonao jambena

Raha orana mikija
No hanondrahanao fitiavana
satria 'zay no tianao omena

Mety ve ? tena mety ve

Raha ny elany tsy hary
No hoentinao hanidina
nefa izy tsy mbola mahay

Raha fitia vao voafolaka
No hoentinao mihazaka
nefa izy tsy sahy sy manahy

Mety ve ?

Ny Kanto, Quai St Bernard. 10h. 2004-07-05
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1504 3
Mpakafy: tsotra1 - NyKanto - tsikikely
Hevitra mandeha
NyKanto ( 05/07/2004 09:10)
Ho setrin'ireo tononkalo nosoratan'i Oully hoe "niriany" sy Raozy " tsy hoe..." ;
Ny Kanto.
bichette ( 05/07/2004 09:25)
Tsy mety kosa angamba ka !
Malalason ( 05/07/2004 10:24)
slt ny Ny Kanto mety ve?
tsy vitan'ny hoe mety fa tena azo atao mihitsy satria anjaranao ny mikolo sy manatsara ary mamolaka ny aminy iray manontolo satria mifameno amin'ny elany tsy hary ny elatrao efa afaka manidina ka miankina aminao no ahasahiany sy tsy ananany ahiahy, dia tefeo izy mba ho mendrika an'ilay notiaviny sy nanaitra azy tamin'ny torimasony na dia hoe "Aza manaitra na mamoha ny fitiavana raha..." hainao ny tohiny R.JO ihany.
NyKanto ( 05/07/2004 10:50)
Hoy ny Baiboly :

"Aza manaitra na mamoha ny fitiavana raha tsy amin'ny fotoanany"

"... ary ny faharetana no miteraka fitiavana..."

Ny Fahendren'ny Ntaolo malagasy koa nilaza :

"Aza atao tery vay manta"

"Masa-tery toy ny voalobo-jaza"

"Dodoky ny aivony ka homam-bary tsaitsainy"
....

Teny atsipy ampon'ny mahalala.
Ny Kanto.


Malalason ( 05/07/2004 11:18)
ary ise mahay an ! fa mbola misy koa hoe "fa tsara noho ny divay ny fitiavana, na ny ony maro aza tsy ahafaty ny afon'ny fitiavana
fomba fiteny daholo ireo fa izay hitan'ise fa mahasoa no raiso sao mantsy atoandro fitery ronono ka ilaozan'ny omby miahaka sany hoe sao tara fitory fitia ka tratran'ny hoe "efa nisy tonga alohanao" zay vao aza hitako intsony brrr matahotra aho okay ny Kanto rahoviana ise no mety hifanatry tava amiko? R.JO
NyKanto ( 05/07/2004 12:55)
Malalason, misy miteny hoe anie : "aza mitaitay toy ny fitia tsy ho ela ( ne soyez pas impatient ou presse comme l'amitie qui ne durera pas), ... izay no tena antony iresahako ny "faharetana" miaro fanantenana ary koa finoana, na dia tsy voalazako aza ireo roa farany ireo.
Ny Kanto.
bichette ( 05/07/2004 13:00)
ka ilay izy anie sao dia lasa hoe terena e ! sa za ve no tsy mahazo resaka ry zareo ???
bichette ( 05/07/2004 13:03)
malalason, sao tsy masaka akory ilay fitiavana iray, tsy amin'ny fotoanany dia ongotana ??? mila faharetana marina tokoa ! sady rhefa tena anjara dia omen'Atra sy atokan'Atra ho anao foana .Sa...???
NyKanto ( 05/07/2004 13:12)
" Ny vady hendry hono sitraka avy amin'i Jehovah"

Ny Kanto.
bichette ( 05/07/2004 13:55)
Ny sisa atao dia ny manantena an'Atra hanondro ilay vady amin'ny fotoanany e !
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 05/07/2004 09:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144