Mientàna (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ampientano avy ao anaty
Fandrao hanjary maina
Hihamafy ka ho faty
Ny fo mihamikarankaina

Ampientàno mba ho tia
Hanampy ny tsy manana
Hazoto hanolotra fitia
Amin’ny malemy tànana

Mientàna hanao ny tsara
Na asabotsy na alahady
Aza avela hisy handrara
Ny mitia tsy mba fady

Mientàna mba ho zatra
Ny fo sy saina ary fanahy
Ho mpanarina mahantra
Tsy ho menatra fa sahy.

Ny Kanto. Fontenay sous bois. 08 febroary 2005.
Nosintonina tamin'ny evanjelin'i Marka 3 : 1-6.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1060 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 28/02/2005 17:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144