Misy rà mijininika (Ny Kanto)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy rà mijininika, Mandeha moramora :
Ny ran’ny fahalalana
Ny ran’ny fihavanana
Ny ran’ny fitiavana
Ny ran’ny fahendrena
... Fa nosoloina vola
Sy haingitraingitra ho tola
Ireo lova sarobidy
Voakoaka moramora
Mijininika mora
Mandeha moramora
Miha-very ireo harena
Sy soatoavin’ny fahagola.
Misy rà mijininika
Mandeha moramora :
Ny ran’ny tantara
Ny ran’ny olomanga
Ny ran’ireo taranaka
Sy zanaka amam-para
... Natakalo fahajambana
Fitiavan-tena, filibana
Ny antoky ny ho avy
Voakoaka moramora
Mijininika mora
Mandeha moramora
Miha-very olon-kendry
Sy tanjona fikendry.
Ny Kanto. Parisy, aogositra 2006.
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiainana
Hevitra mandeha

Malalason
(
21/08/2006 16:03)
inoako fa hikorina soamantsara ao @ sahan'ny fieritreretana tsara ny ity kalo kanto ity ka hitondra takom-pery tsy hamela holatra...

NyKanto
(
22/08/2006 19:13)
Mety hisy fanafany ve ny fahaverezan'ireo soatoavina malagasy marobe ankehitriny ? ... Miha-ratsy izao fiainana izao.

Malalason
(
25/08/2006 11:25)
Izaho mino fa hisy fanafany satria mbola misy ireo tapaporoha sisa tsy may, miaina izany soatoavina izany ka mbola mitana ny tena fahendrena malagasy na miha-ratsy aza ny fiainana tsy ahasakana azy izany...

NyKanto
(
26/08/2006 10:33)
Mafy sy sarotra ny mifikitra amin'ny tsara, toy ny milomano nefa tsy mira zotra amin'ny besinimaro ... nefa hoy ny ohabolantsika hoe ny fandio iray siny tsy mahaleo ny fandoto iray tandroka ...

karako
(
22/06/2007 19:50)
Aza kivy fa na ho ela na ho haingana hijanona ny ra ka hanolatra ny fery. Ny sehatra toy izao hikajy sy hikolo ny lovantsika : NY TENY.