Moa va tsy fantatrao ? - Ny Kanto
Azo vakiana?
Moa va tsy fantatrao ?
Fa kanto anie ilay teny izay toa navela hihafy
Am-po sy saina irery, voagejan-teny hafa
Mihamihanaka mandrafy
Moa va tsy fantatrao ?
F’ireo faka nipoirana sy tanjona kinendry
Ny lasa, anio sy ny hoavy ; ny anjara sy ny tendry
No miara-asandratry ny teny
Moa va tsy fantatrao ?
Fa vahatra hampiria ilay maha-ianao anao,
Hahatonga ny hafa hitia hatramin’ny taninao
Ny tenindrazanao
Moa va tsy fantatrao ?
Fa sarotra afenina na dia inian-kosehina
Ilay antson-teny anaty, antso tsy ho farina
Ho anao mba tsy ho nenina
Moa va tsy fantatrao ?
F’efa maro manarivo, ireo teny zary moana
Very an’efitry ny lasa, am-boky babangoana
Am-ponjan’ny fotoana
Moa va tsy fantatrao ?
F’ianao io indrindra no mpampita sarobidy
Ilay tenin-dreny omena, tsy mba novinidy
Lova sy tahiry
Moa va tsy fantatrao ?
Fa raha ianao no tsy hihira, raha ianao no tsy hiteny
Ireo hainteny soa mihanta sy milanto
Dia ianao no antsoina hoe „Mpandevim-belona ny kanto”
Moa va tsy fantatrao ?
Ny Kanto. Parisy, jona
Mombamomba
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKantoDaty : 12/06/2006
Mpamangy : 1560
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Tsy ManahyMAVESATRA
Mihelina
Maty ilay tantely
Kalo anaty haizina
Fiofona
11-septambra
Ny Fahatsarana
Mpitazana-tazanina
Iarivo Mitomany