You are here: home > Vetso

Nankaiza - Ny Kanto

Azo vakiana?

Toa tsy misy intsony valala
Sy feom-boro-mahatamana
Fa nankaiza daholo ny ala ?
No tany mena sisa zahàna

Ritra avokoa ireo loharano,
Mihena ny tsondro an’ony.
Ho lasa tantara sy angano
Ny voary izay nampitony

Nankaiza ny ala ? – Lasa.
Nankaiza ny rano ? – Lasa.
Koa inona sisa mijoro ?
- Ny vola izay nampikoro

Ny Kanto. Parisy 2005-02-16

Sokajy : Tontolo iainana

Hevitra mandeha

Miarantsoa (17/02/2005 13:41:41)

Ny olombelona mihintsy no tena simba ka mila fanarenana voalohany indrindra !

Hametraka hevitra

Midira aloha