Nefa iza no hino ? (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nefa iza no hino fa tapitra
Kila sy may ilay rovanay?

Nefa iza no hino fa rovitra
Sy rotidrotika ilay tantaranay?

Nefa iza no hino fa vaky
Niparasadrasaka ilay fitaratray?


Fa adala hoy aho izay minomino
Sy sahisahy hilaza fa afaka hitia
Mihaza fitia dia ampiany hoe fihino
Ilay minitra iray nandavo ny fony

Satria…

‘Lay rova niaraha-nanangana iny anie
Na dia mirakitra ny fahelan’ny fitia,
Mety ho rava iray minitra monja
Hovoatelin'ilay fitia mora mirona

Maro iray minitra anatin’ny ora!!!

Ary…

‘Lay tantara niaraha-nanoratra iny anie
Na dia mirakitra ireo famamin’ny fitia
Mety sombiny ihany, ho lasa angano
Hovoatsakotsakon’ireo tantara kamo

Maro angano ny lasa sy ny fahiny!!!

Farany…

Ilay sarim-pitia niaraha-nitaratra iny anie
Na dia mirakitra ny fahatsaran’ny fitia,
Mety hihena hiparasaka ho maro be
Hovakivakin’ny mpandalo haneso hoe :

Maro sary ny fitia rahefa miofo!!!


O may re ny rovako,
Vita ilay tantarako,
Rava ilay nitarafako.
Rotidrotika e ‘ty foko,
Mbola afaka hijoro,
Mbola afaka hanoratra,
Mbola hankafy,
Fa tsy afaka intsony ny hitia

Ny Kanto. Vaky fo. 11ora10 min. 2004-07-08
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
960 0
Hevitra mandeha
bichette ( 13/08/2004 13:47)
oay marina ! tsara dia tsara tokoa, mampiseho hatrany ny talentanao izy ity ary dia tena ni-touchée ahy ilay izy .... saingy ny ato ampoko dia somary malahelo ary mampahatsiaro ahy zavatra maro
NyKanto ( 13/08/2004 15:49)
Hery manaloka matetika ny fahatsiarovana ny taloha...nefa raha misy ny aloka dia ao koa izany ilay tara-pahazavana ... koa aza malahelo fa ny ho avy no banjino, hazony hatrany ilay tsiky ahatsiarovako ilay endrikao.

Ny Kanto.
bichette ( 13/08/2004 15:51)

hi hi hi nykanto, okay !
bitaka ( 14/08/2004 12:30)
za mety hino r'ise a han
NyKanto ( 16/08/2004 08:16)
Na izaho koa aza tsy mety nino hoe izay izany, vita! ... nofy hay ilay hoe tsy hisy fiafarany sy hoe tsy ho lany ritra tahaka ny ala atsinanana ... dia mbola hifikitra foana ve ? ... Ny ho avy sisa no hilaza eh!

Ny Kanto
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 13/08/2004 13:18
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0177