Ny faniriako (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vao omaly ianao no hitako
Dia nitsiry ilay fitia niriako
Mahatonga ahy mamboraka etoana
Hoe tena tiako ianao ka tiako

‘Lay feon-tsiky avy aminao
No mibitsika ahy hitsinjo
Ilay voahangy miafina ao am-po
Hahita hoe hay ianao tia ahy

‘Lay fijery feno fitiavana
Nasehonao ahy indray androany
Dia tonga aho manakaiky, sahisahy
Mankasitraka miaina izany

Tena tiako ianao ka tiako
Sy hoe koa ianao tia ahy
Ireo nandresy lahatra ahy
Hanorim-pitia tsy manam-pitaha
--------
Rohy:
2272 3
Mpakafy: booboo - NyKanto - tsotra1
Hevitra mandeha
crrlanto ( 08/09/2004 21:55)
Tsara ilay tononkalo, tena azo lazaina fa mampihira ny fanahiny ny mpanoratra , nefa toa ho jamba fitiavana . Tandremo
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 27/05/2004 16:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115