Ny làlana mankany (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Setrin'ny tononkalo "Aiza no misy", Vetsoko.

Mila kirim-paherezana iny lalana iny
Rako-tsilo sy mideza ka ialako tsiny
Nefa d’iny làlana iny, no tokana mankany
Amin’ilay tanàna tsy mba misy mitomany

Feno mpanakora any amoron-dàlana any
Sy mpamingana ary koa ireo mpanasohaso
Nefa d’iny làlana iny, no tokana mankany
Amin’ilay tanàna tsy mba misy ranomaso

Tsy mikodàna na malalaka iny làlana iny
Tsy làla-maitso lalandava fa tany efi-
Fa ety sady tery, ahatsiarova-manirery
Rakotra hevitra hampiato ary koa hamery

Tsy ho vitanao irery, f’ilàna fanampiana
Ny mamakivaky ireo saham-pahoriana
Tadiavo sy fantaro fa ho hitanao an-dalana
Ilay Namanao nilaza hoe: „Izaho no tena làlana ...”

Koa soava dia sy mahereza rahalahy
Ny finoana hazony hankahery ny fanahy
Tsy lavitra ny dia, tsy ho mafy ireo zioga
Ho avy ny hafaliana rehefa tena tonga.


Ny Kanto, Parisy, janoary 2005
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1301 1
Mpakafy: Arimalala
Hevitra mandeha
vetsoko ( 15/01/2005 22:16)
mamerina ny fisaorana ho an'i Ny Knto nanoro ahy ilay lalana,toa sarotra nefa irina moa ny ho tonga any dia ...roso izany ny dia,ianao angaha tsy ho any,,,,???
NyKanto ( 17/01/2005 11:39)
Efa an-dalana... mety hifanena eny ihany isika eh!
Mirary soa.
Miarantsoa ( 17/01/2005 15:52)
Iny lalako iny e
Lalan- tsarotra ah!
Hazo fijaliana e
Amin' iny lalako iny.
(hiranay any am- piangonana io
entina mankahery antsika izay mikatsaka ny lalana mankany)
Na hihorohoro aza ny kotroka
na hifanesy aza ny tselatra...
E ny fanantenako :
Hitsena Anao aho Jesoa!

Mahereza ao amin' ny Tompo!
bichette ( 18/01/2005 16:49)
misaotra nykanto a
Malalason ( 21/01/2005 12:53)
za tsy maitenenina r'to a! mirary mazotoa e!
lianah ( 02/04/2005 09:19)
Tsara kosa aloha ilay izy e.Tena tsara fa tohizo.Misaotra betsaka Ny Kanto a.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 14/01/2005 14:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153