Ny tena hetsika (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)

Midina an-dalambe
Hanapoaka ny sarom-bilany hono hoe
Toa efa lasa kolon-tsaina izy ity ry zalahy
Satria isaky ny mihetsika kely
Dia ndao! ndao hisavorovoro
Hanankorontana ity firenena
Tsy amim-piheverana akory
Tsy fantany fa hay tsanga-nofy matory
No mampihetsika azy ho amin’ny fanadinoana!

Ireo vahoaka ireo tokoa anie
Mora manadino ny lasa taloha e
Vao ilazana ireo hevi- baovao
Mirentirenty fahaiza-miteny
Dia toa alon-drano manaraka onja
Tsy fantany akory f’izany no hitondra
Fahadisoam-panantenana tena mafonja
F’izay rehetra nitsangana teo
Dia nanitsaka ireo jamba sy marenina ireo
Mba hiankarany, hitadiavany seza
Hanapahany, hanaovany tsindry hazo lena
Ny mameno ny lohan’ireo mpanambaka ireo?
Izay hamenoany ny paosiny aloha
Dia hanangana trano mijoalajoala tokoa
Handoro sy handrava ireo rakitry ny ela
Ireo harem-pirenena, ho ringana tsy hisy tavela
Hanandratra foana ny adim-poko
Tokin-tsezany izany f’ianao no hitoloko
Izany anie no tanjon’ireo mpitsentsitra ireo e
Ka indrisy ilay Gasikara taloha izay nampikolay
Zary firesaka sisa, sahady efa kila sy lao ary may!

Koa tsy hitaky ny zo intsony ary ve ?
Dia inona àry ny hetsika tena mahomby
Mba hampandrosoana ity firenena
Hampahiratana ireo maso jambena ?

Esory ao aminao aloha ny fanavakavaham-pahalalàna
Ny fifandibiasam-pitondrana no làlana iray ho amin’ny fandrosoana
Ahilikilio sy aleveno impito mandifotra olona ny fanvakavahan-tsaranga
Ny hinan’ny Malagasy miray, tsivakivolo no hitsimoka olo-manga
Esory dia esory ao aminao ny firaikiraikena
Hadihadio ireo hevi-baovao miroso fa aza tonga dia mora sondriana
Atsangano indray ao aminao ny fanevan’ny fahendrena
Ny fihavanana no asandrato ho mariky ny firaisan-kina

Tsy ho lany olo-manga anie Gasikara !

Ny Kanto, 15 avril 2004
--------
Rohy:
Sokajy : Politika
1815 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 17/05/2004 10:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101