Ny tena tsara (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa tsaroako izao ilay hoe:

"...dia nisy ny alina
dia nisy koa ny andro
ary tena tsara izany !"

Tamin'ny tontoloko :

"nisy ny fahanginana
dia nisy koa ny tabataba,
ary tena tsara izany !"

Ny tantaram-pitiavako :

"nisy tsinam-bolana
narahim-penomanana
ary tena tsara izany!"

Ny tantaram-piainako :

"Nisy fisarahana
nofenoin'ireo fihaonana
ary tena tsara izany"


Ny Kanto. Fontenay sous Bois, 7h56 ; 8 jona 2004
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1421 1
Mpakafy: tsotra1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 08/06/2004 06:58
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015