You are here: home > Vetso

Oay!!! - Ny Kanto

Azo vakiana?

OAY !!!

Oay ! trano mijoalajoala be!
Oay ! tohatra mikisaka mandeha!

Mba rahoviana lahy
Vao mba hahavita izany
Ny any ambanivolonay ?


Oay! Ny halehiben’ny arabe!
Oay! Ny hafainganam-pandeha!

Mba rahoviana lahy
Vao ho tonga toy izany
Ireo làlan-tsaretinay ?


Oay! Ireo asam-pamoronana
Oay! Tonga eny amin’ny volana!

Mba rahoviana lahy
Vao haniry te hamorona
Fa tsy hanafatra intsony ?


Oay! Karazam-boky maro be!
Oay! Karazana mozea!

Mba rahoviana lahy
Vao ho natao ho an’ny rehatra
Ny kolon-tsainanay!


Oay! Toa mividy tsy an-kijanona!
Oay! Dia  samy maka ho azy!
...
Aza hitako ry lahy
Ny toe-tsain’ny Malagasy
Hanjary ho toy izany.

Ny Kanto. Seranam-piaramanidina Roissy CDG. 2004-09-15


Sokajy : Tanindrazana

Hevitra mandeha

bichette (17/09/2004 09:32:14)

Oay , ireto talenta marobe ato serasera, sao dia tokony exploiter-na ?

Hametraka hevitra

Midira aloha