You are here: home > Vetso

Omeo kintana - Ny Kanto

Azo vakiana?

Omeo Kintana

Ho tadiaviko ilay kintana
Izay hitarika ahy ho any
Hankalazaiko ny fitiavany
‘Lay vahin-danitra banjiniko

Hosavaiko ilay làlana
Eny an’habaky ny tany
Hataoko hira ny anarany
Ho masaka ao am-poko

Rahampitso ho tojo avana
Ilay fo nigogo nitomany
Koa ny tànako sy tànany
Hifandray no faniriako.

Ny Kanto. Parisy, 21/02/05


Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha