Rafahasambarana (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba nandramako ny hihazona
Nandramako ny hamihina
Fa tsy voafehin’ny tanako
Ilay nataoko fahasambarana

Raha iny saiky hihamina
Sy higoka ny hamaminy
Dia nilaozany nirifatra
Zava-poana tsy maharitra!

Nandalo teo ny tsikitsiky
Nandalo koa ny hafaliako
Dia nanantena ery ny foko
Hankafy ireo ora vitsy

Fa akoakon’hehy sy tsiky no
Niserantserana ao an-doha
Vongan’eso ireny, sary vita
Nofinofy izay hahita!!!

Aiza ianao Rafahasambarana
Mba hanala ny hirifiry
Satriko hitampify, nefa impiry
Impiry ianao no lasa sy niridana


Ny Kanto. Quai St Bernard. septambra 2004-09-01.
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
980 0
Hevitra mandeha
bichette ( 01/09/2004 14:07)
Indrisy tokoa, fa raha ny fahasambaran'izao tontolo izao no katsahina dia mandalo fotsiny fa tsy mitoetra ary tsy voatana ihany koa. Misy anefa ilay tena fahasambarana izay tsy hain'izao tontolo izao omena .....
NyKanto ( 02/09/2004 14:38)
Hono ho aho ? Fahasambarana sa Fiadanana no tsy hain'Izao tontolo izao omena?
Ny Kanto.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 01/09/2004 13:33
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105