Rahampitso (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rahampitso

Rahoviana vao ho mandina
Ireo tongom-bakivaky?
Rahoviana no ho bolangina
Ny efa ho taolam-paty ?

Maina sy mitritra izay jerena,
Isan’andro anefa mitanisa :
Harena, harena ... harena!!!
No mameno izany tanintsika!

Tsy fahaizana mitantana ?
Sa tsy te handray andraikitra?
Toa mandry fotsy feno sompitra
Miandry foana ny ho fahanana.

Ô ry Gasikarako ô! ny hakantonao mahajambena
Ny mpiavy sy mpandalo, anefa anie ka mahonena
Ny mijery ireto zanakao mitafy lambamena

Ô ry Gasikarako ô! Manangasanga an-dohako ao
Ilay fiarenanao, rahampitso iray vaovao ...vaovao
Ho sambatra tokoa ny Malagasy ravom-pandresena

Ny Kanto. Keele Univ.
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
1279 2
Mpakafy: bichette - NyKanto
Hevitra mandeha
jeroma ( 06/12/2004 12:42)
Ny kanto an ,
Ho tonga saina @ izay kosa angamba

jeroma ( 06/12/2004 12:43)
Ny kanto an ,
Ho tonga saina @ izay kosa angamba ny mpitondra @ io an
Njaka

NyKanto ( 06/12/2004 15:40)
Be ny fanantenako ny amin'ny fiarenan'i Madagasikara ka hakany ny toerana sahaza sy hampiavaka azy amin'ny sehatra rehetra ... mba manantena ny hahita izany aho amin'ny fahavelomako...
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 02/12/2004 16:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146