Reny malahelo... (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lafi-valon’ny tontolo miha-feno tebiteby
Tabataba, jaly, hiakan’antso misomedika
Ireo reny malahelo nilaozan’ireo zanany,
Midradradradra, mampikija ny tomaniny.

Fa dia nankaiza ireo anjely mpiaro?
No ain’ireo tsy manan-tsiny maro
No novonoina ho fitakiana fahaleovan-tena,
Norobaina sy natao an-katerena !

Mbola hisy ve ny fiadanana?
Aorian’ny fandripahana
Matahotra aho fa sao indrisy
Ny ra asolo ra, nify asolo nify
No haka laka tsy hidify,
Ary tena hivalampatra mihintsy.
Fa ho tena sarotra ny hamela,
Sy hanadino ho an’ireo tavela.

Ny Kanto. Fahatsiarovana ireo zaza maty tany Ossetie. Septambra 2004.
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1051 0
Hevitra mandeha
bichette ( 06/10/2004 16:05)
Ndryyyyyyyyy !!!!!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 06/10/2004 13:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149