You are here: home > Vetso

Ry nosiko - Ny Kanto

Azo vakiana?

Ry Nosiko

Mifoha indray ianao ry Nosiko lalaina
Misintona mahery, sy maka ny fanahy
Mitondra ranomaso ho an’ny foko main’
Ny elanelan-tany, nodanihin’ny tsiahy

Ny feonao tsy mba azoko am-panginina
Fa tsy misy ora na oviana na oviana
Mainka moa tazako iny vodi-lanitra iny
Dia indro ianao fa tamy, miantso ny fahiny

Ry Nosiko, ô ry Nosiko ... avelao kely aloha
Hisinda ireo toloko, vao ajoronao indray
Ireo rindrin-tsiaro maro izay misakana ahy
Hihanoka hankafy ‘ty fenomanana mifoha.

Ny Kanto. 26/05/05

Hametraka hevitra

Midira aloha