Sambara ianao ry fireneko (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sambara ianao ry Fireneko!

Sambatra hono sambatra ny Fireneko voazara
Ka tsy mahalala intsony ny tena fihaviany
Ny adim-poko foana no ankamamiany
...(hehy)...
Fa Ianao no hahita ny fandriam-pahalemana
Firaisam-pirenena, tsy vidiana fa omena.

Sambatra hono sambatra ny Taniko voaroba
Ny safira, volamena ... nataony ts’isy niangana
Ny rano aza hono rahampitso hangalariny
...(hehy)...
Fa Ianao no ho fanoitra, hanohana ny hafa
Hahay hizara ireo harena sy ny kanto samihafa

Sambatra hono sambatra Ianao ry Nosy ory
Fahantrana tsy hay lazaina no indro itoeranao
Mangarika mirafitra amin’ny hakantonao
...(hehy)...
F'Ianao ho avy hamiratra amin’izao tontolo izao
Hisotro sy higoka ireo fahatsaranao.

Sambatra hono sambatra ilay Nosy mitomany
Fa na ho takona ny jery fifikiranao
Sy hamirifiry koa ny fery ela efa tao
...(hehy)...
Dia Ianao no hahita ny fiononam-po
Sy tsabo ho an’ny ratra izay nanjo.

Sambatra, eny ho sambatra Ianao ry Gasikarako!!!

Ny Kanto Novambra 2004.
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
1293 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 29/11/2004 13:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0169