Tantera-paniriana (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tantera-paniriana

Efa an-taona maro no niandrasana
Volana, herinandro ... naniriana
Nisaintsaina a-nofy koa ... ireny rehetra rehetra ireny
Nahitako anao sahady nampofoin'i Neny

...............................................................

Raha nisaiko irony andro efa lasa
Minitra maro nitiavako, nikasa
Isan'ora dia voarendrika ao an-tsaina
Ny fanantenako anao ry Sombinaina

........................................................

Ireo masoko nisangy nandingana ny alina
Nisantatra ny ampitso narahin-tsento lalina
Na lohataona na ririnina, nino foana foana
F'ho avy ilay zanako, indray andro vanin-taona

........................................................................

Dia tonga ianao ... IAROAINA izay nandrasana
Mipoaka ny hafaliako, endrey ny hasambarana
Isaorako Andriamanitra, fa tantera-paniriana
Nitia, nino, nanantena ... tera-dahy ankehitriny.

Ny Kanto, Parisy faha-26 novambra 2005
--------
Rohy:
Sokajy : Fianakaviana
1811 1
Hevitra mandeha
bichette ( 27/12/2005 06:57)
tena tsara dia tsara ny tononkalonao Nykanto. tena hita fa vokatry ny fo nanantena, nahazo valim-bavaka sy reconnaissant amin'Andriamanitra.
deraina ilay Andriamanitra mahatoky
nikopol ( 27/12/2005 07:55)
Tsara dia tsara
Misaotra
melodie ( 25/08/2006 11:31)
ay! tena manohana ny fo tokou izy izany ry Gaston fabien! tena ho an'i ARO iny izany ary aiza ny an'i any DOMOINA de miandry izany izahay aty montpellier an!!!!!ny namana tsy mahafoy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 26/12/2005 14:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108