Tara-bolana - Ny Kanto
Azo vakiana?
Nankaiza ilay fenomanana
Tazako teto omaly ?
Tsy tsapako intsony ny tarany
Nampiato ny foko tsy hifaly
Nanaraka azy avokoa
Na sento na hanina am-po
Nentiny hifindra any ho any
Ny embona sy ny tomany
Nankaiza ilay haingon’ny alina?
Kintana sisa no teo
An-kianjan’ny lanitra lalina
Ho fanantenan’ny mitoreo
Tara-bolana anatin’ny haizina
Mandoro ny fo savolaina,
Mamely sy mahajambena
Taratra tena mahamay
Mandrakotra ary koa mampiray
Ny irery sy ny mahonena
Ny Kanto. Janoary 2004. Jussieu.
Hevitra mandeha
andriary (27/01/2005 14:51:25)
Antitra mampiady kalo
Ny antitra antitra ihany
Poety manao tonokalo
Fiko sy mamiko hatrany!
mankasitraka ny fivetsoana ny zava-boahary anaty fihetseham-po tsy hitan'ny maso,tsy tsy laitr'eritraritra fa tsapan'ny fanahy ny hafatra!mankalaza hoy Nyeja sy malalason fa ho avy ilay nitambarana e!
vetsoko (27/01/2005 15:23:45)
Ho an'I Ny Kanto:
Iny tara-bolana iny
Iny tara-bolana iny
tena betsaka mpaniry.
Vitsy anefa no itsikiany
ao anaty hirifiry.
Mazana anefa anaty alina
no fotoana hipotrany.
Anaty fahoriana lalina,
tonga izy manontany:
Inona no tsy ampy ?
Moa ve hazavana!
Ny hatsiaka ve no tsy tanty?
Rahampitso hisy hafanana.
Antenaina isan'andro
ny iposahan'ny masoandro.
...TSOA
27 janv 2005,Boissy St léger
bichette (27/01/2005 18:53:02)
NyKanto (28/01/2005 13:42:30)
Saotra ho an'i Tsoa nanisy setriny mpitondra fanantenana...ho an'i Andriary naneho ny heviny sy fankasitrahany ary ny hafatra, mbola hifankahita eh!!!... ary ho an'i Bichette noho ny fankafizany...
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKantoDaty : 27/01/2005
Mpamangy : 996
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Tsy ManahyMAVESATRA
Mihelina
Maty ilay tantely
Kalo anaty haizina
Fiofona
11-septambra
Ny Fahatsarana
Mpitazana-tazanina
Iarivo Mitomany