You are here: home > Vetso

Tononkiram-pitiavako ianao - Ny Kanto

Azo vakiana?

Fa tononkiram-pitiavako ianao
Mamaka ao anaty, mitety ny fanahy
Mitondra lokon-tsiky vaovao
Mifandrohy tsy mahasaraka ahy

Tononkira hanala rofy sy toloko
Nitampify tao, tsy hita, naka laka
Ianao mipololotra avy ao-poko
Fanafody tsy avelako hisy haka

Fa tononkira hanitry ny rivotro
Ritsoka fitia mahavelom-bolo
Bitsibitsika fanatitr’ireo molotro
Ianao, mpamohafoha ny tontolo

Ny Kanto, Parisy 23/02/05

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

Oully (24/02/2005 23:27:48)

ndryyyyyy

bichette (25/02/2005 10:29:33)

tena mahafinaritra

booboo (26/02/2005 17:35:20)

hummmm...zay mihitsy ilay tsapa rehefa amoureuse / amoureux.
Tsara ilay mitia ô ?

Hametraka hevitra

Midira aloha