You are here: home > Vetso

Tontolo hafa kely, - Ny Kanto

Azo vakiana?


Tontolo hafa kely,

Jiro an'alinaliny,
Mihaika ny masoandro
Ny alina ho atoandro.
Ny andro ho lasa alina.
...
Mandroso hono izany!

Ny tsy fanao sy tsy fambara
Mitsangana mihantsy
Ny tsara ho lasa ratsy.
Ny ratsy aty no tsara.
...
Mandroso hono izany!

Ny sakafo aty dia betsaka
Fa ny hevitra miely :
" Ny Fahiazana no lafatra,
Fahantrana ny bakatraka*"
...
Mandroso hono izany!

Dia ho tontolo toy izany
Ve no ho filamatra ?
Raha izaho aleoko ihany :
Miasa sy mivavaka.
...
Mampandroso koa izany!

Ny Kanto, Château Thierry, desambra 2004

Bakatraka : Matavy



Sokajy : Tanàna

Hametraka hevitra

Midira aloha