Tsilopilopin'nofy (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha natopiko ny masoko hitady fahatsarana
Nikaroka izany, hatrany am-paran-tany
Dia tsy nahatsinjo, afa-tsy ny fahakiviana
Tanaty kipy ihany no nahitako fifaliana

Raha nahilako ny sofiko hihaino hira hoby
Handray ny teny mamy, hataoko fanafody
Dia tsy nahare afa-tsy ny fitarainana
Habibiana loza, miampy fanaintainana

Dia natolotro ireo tanako haneho Fitiavana
Nahinjitro hanarina ny lavo sy tsy manana
Nefa ombieny ombieny indro fa fandavana
No nandavo indray ny foko saiky tsy tafarina

Nosokafako ireo molotro hihiaka Fitiavana
Hampitsahatra ny jaly sy tsy fahamarinana
Ako iva no nanohina ... novesaran’ny tomany.
Hay tsilopilopin’nofy anaty maizim-bolan-tany.

Ny Kanto.
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1310 0
Hevitra mandeha
vetsoko ( 30/07/2005 16:42)
misaotra an'i kanto
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 26/07/2005 17:05
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101