Tsinam-bolana (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsinam-bolana

O ry Volana ambony iry
Efa mihamaizina sy silaka
Vao tazako ao ambadikao
Ilay aloka miantefa
Ilay aloky ny Tany
Lavitra maniraka
Ho eny an-danitra eny
Ilay Foko tia sy mitomany
Miha-lehibe hatrany
Manazava sy mitaratra
Ilay endrikao mitsinana,
Mandrakotra mihinana
Ilay fenomananao

Fa voakiky sy voahinana
Ilay fitia anatiko ao

Ny Kanto. Agropolis, 26 febroary, 11h26
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1700 0
Hevitra mandeha
raozigasy ( 08/06/2004 01:02)
Ny faniriako ho anao ry Namana
dia ho volam-penomanana
ny androm-piainanao rehetra
ho tratranao ny tarigetra
sy ny tanjona kinasa
na ny fiainana na ny asa . . .
NyKanto ( 08/06/2004 08:17)
Ekeko fa misy ny fifandimbiasana, raha tsy izany foana ny fanantenana, tsy nisy ny tarigetra na ny tanjona... misaotra mampahatsiahy fenomanana anatin'ny tsinam-bolana , toy ny fiandrandrana ny maraina raha mbola maizin-kitroka ny andro ... ary tsara daholo anefa ireny rehetra ireny.Mankasitraka eh!
Ny Kanto namanao.

Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 07/06/2004 21:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0178