Tsy mba sarotra (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny tendrombohitra avo indrindra
Azonao ianihana,
Fa mandreraka aina
…
Ny rano lalina indrindra
Azonao sakaina
Fa tsy ho vita izao dia izao
…
Ny lalana mideza
Azonao diavina
Fa mila hery tsy mifezaka
...
Fa ilay fitiavako
Tsy mba sarotra mihintsy
Voavoatra miandry anao

Ny Kanto. 2004
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1409 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 08/06/2004 20:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.3345