Tsy misy hafa - Ny Kanto
Azo vakiana?
Nandeha ny Andro sy ny Taona
Fa izaho tsy nahay nanadino
Ilay toeranao mbola banga foana
Ny foko minia tsy mety mino
Tadidy ireo niarahana taloha
No mameno ny saina sy ny fo
Mbola mahatsiaro anao tia
Mbola manonofy ilay fitia
Nijanona daholo ny tontoloko
Raha vao lasa ianao
Tsy nisy tantara izay natomboko
Tsy nisy afa-tsy ianao
Mbola tiako foana ianao, tena mila anao
Mampanantena aho fa hahay hitia anao
Mba minoa ahy akia fa ho mandrakizay
Ny antsika raha hifampitantana indray
Ireto masoko jereo fa mipitrapitra ery
Mangata-topi-maso avyaminao ô ry malalako
Maika hamerina indray sy hifankatia
Tsy miandry afa-tsy ianao irery ilay fitiavako
Ny Kanto, Miverena, St François, 1martsa 2004
Hevitra mandeha
gasikely79 (03/06/2004 17:53:01)
Fony izy teo anilanao moa ve nataona tsapany ny fitiavanao azy???
NyKanto (04/06/2004 08:53:54)
Ifandimbiasan'ny fihaonana sy ny fisarahana ny tantaran'ny olombelona tsirairay avy, raha ity tononkalo ity no resahina dia tsy mba nahita ny lalan'ny fanadinoana taorinan'ny fisarahana vokatry ny tsy fahaizana mitia ny mpanoratra...eny misy izany, ka ny antso toy izao sisa no tena irina mba hiampita any aminy any...
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKantoDaty : 24/05/2004
Mpamangy : 1950
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Tsy ManahyMAVESATRA
Mihelina
Maty ilay tantely
Kalo anaty haizina
Fiofona
11-septambra
Ny Fahatsarana
Mpitazana-tazanina
Iarivo Mitomany