Tsy misy mpahalala (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hanaiky ve ianao
Hiaraka amiko handao
Izao tontolo izao
Ho amin'ny tany hafa iray
Tsy misy mpahalala
Any iisika indray
Hifampiansto hoe : Malala

Any isika no hanorina
Hampivelatra fitia
Hamorona, hanonona
Teny mamy vaovao
Tsy misy mpahalala
Any isika no hamerina
Izay noraran'ireo tsy tia

Ho toy inona tokoa
Raha ho tanteraka avokoa
Ny nofinofintsika roa
Raha ny fitiavako anao
Tsy misy mpahalala
Ao am-poko tsy miloaka
No hisandratra hivoaka.

Ny Kanto. Gare de l'est, 1 ora tolakandro 19 desambra 2004
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA
945 0
Hevitra mandeha
NyKanto ( 21/12/2004 18:48)
Diso tsipelina :

1) Any "iisika" ovao hoe any "isika"
2) "Hifampiansto" ataovy hoe "hifampiantso"

andriary ( 23/12/2004 10:45)
raha tsy poety tsy hanana fihetsehampo toy izany!sarotra takarina nefa azo iainana!!!sa....?ao anatin'ny misy izany...
vetsoko ( 23/12/2004 11:11)
marin izany!
ny nofinofintsika ny faniriantsika tsy tanteraka,ny mba vetsovetsontsika no nahatonga antsika hanoratra,ao anatin'ny kanto izy mantsy...tanteraka,mifalia
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 21/12/2004 18:46
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146