Very namana aho (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny haizin’ny alina,
Nilatsaka nandrakotra
Alahelo mila hanafotra
Namelively sy nikapoka
…fa very Namana aho

Hiakiaka sy toreo,
Tomany hany feo
Nandoaka ny fahanginana.
Tsy mba nisy nampiomana
…fa very Namana aho

Voafefik’alahelo
Anefa lavi-tany.
Haizina sy avelo
Ny elanelan-tany.
…fa very Namana aho

Andriamanitra ô, tsy haiko ny hatao.
Ny fahafatesana efa noresenao
Koa mba tehirizo, iny Namako iny

Andriamanitra ô esory ireo taraina
Ampatokio ny fo sy saina :
Matory fotsiny ihany Izy lasana iny.

Ny Kanto. Desambra 2004.
Any Saïdi Juma maty lavon’ny tazo volana desambra 2004. Mandria am-piadanana.
--------
Rohy:
1269 1
Mpakafy: Rakparfait
Hevitra mandeha
bichette ( 09/12/2004 17:51)
raha ilay tononkalo dia tsara tokoa, ilay tantara no mampalahelo. Miombom-bavaka aminao
vetsoko ( 10/12/2004 19:33)
mampahery an'ise
NyKanto ( 11/12/2004 14:37)
Misaotra anareo.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 09/12/2004 12:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145