Voafintana (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Voafintana

Manasa anao hono hiditra.
Hividy sy hivarotra,
Hilalao ny soamiditra.
Araho ny dokam-barotra.

Dia lanio ireo tahiry,
Midi-trosa, midi-kizo,
Fa tsy ho renao ny hirifiry.
Toe-karena hono no voizo.

Aza mitsahatra hono mihinana.
Vokiso tsara aloha ny kibo,
Ankimpio ny maso raha mahita
Ny mangetaheta tsy mihinana.

Mandrapaha-tapitra sy ringana
Ny vola eo ampelatananao,
Milofosa hono, milalaova
Fa holaninao ny kakan-pintana.

Ny Kanto, Parisy, aogositra, 2004
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1319 1
Hevitra mandeha
bichette ( 18/08/2004 09:28)

Brrrrr !!!!!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 16/08/2004 17:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101