Vongan-dranomaso (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho Setrin'ny tononkalo RAHA HO ANY IANAO "Andriary sy Ravaomanahirana"

Bongo mason’ny tomany
Ilay nandray ny hafatrao
Ka rahoviana hono izany
Fa ny tontolony miha-lao ?

Embon-tsiky tsy fahita
Nitsiry teny an-tavany
Efa ela izy tsy nahita
Anao teo an-tratrany

Ny manga kely hitany
Amin’iny lanitra iny
Toa mangarika ny vintany
Anefa mbola iriny

Dia tsy ho sahiko akory
No nijery ilay endriny
Ilay sarinao toa nampahory
Namohafoha ny feriny

Vongan-dranomaso
Nataony an-taratasy
Tsy ho mainan’ny ankaso
No nalatsany hikasa :

„Hisy farany izao
fisarahan-toerana izao...
dia izay ihany ... hoe : tomany
Ny hafany ho anao...”

Ny Kanto Janoary 2005.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1094 0
Hevitra mandeha
andriary ( 03/02/2005 12:55)
Mampirisika ny hanoratra sy hamaky ary hankafy ny tsimbalivaly an-tonokalo ka ankasitrahana ny fomba namoahana lay onjam-po tany anatinao ary mitopy ny tany anatinay koa!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 31/01/2005 17:37
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145