Vongan-dranomaso (nahitsy) (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Bongo mason’ny tomany
Ilay nandray ny hafatrao
Ka rahoviana hono izany
Fa ny tontolony miha-lao ?

Embon-tsiky tsy fahita
No nitsiry teny an-tavany
Ela mantsy tsy nahita
Anao ilay teny an-tratrany

Ny manga kely hitany
Tamin’iny lanitra iny
Toa mangarika ny vintany
Anefa mbola iriny

Dia tsy ho sahiko akory
No nijery izato endriny
Ny sarinao toa nampahory
Namohafoha ny feriny

Vongan-dranomaso
No nataony an-taratasy
Tsy ho mainan’ny ankaso
Izay nalatsany hikasa :

„Aoka hisy farany
izao sara-toerana izao...
dia izay sy ny tomany
Hany hafatra ho anao...”

Ny Kanto Janoary 2004.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1113 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 01/02/2005 14:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148