You are here: home > Vetso

Afa-po - Ny Tsiaro

Azo vakiana?


Niezaka aho hatramin`izay handresy lahatra anao
Niezaka aho ny hanaporofo ilay fitia anatiko ao
Ny hevitra rehetra efa nataoko avokoa
Niezaka aho hatramin`izay, nefa anio aho afa-po!

Tsy mba noraisinao mihitsy ny fitiavako
Tsy mba niantra anao, tsy nanaiky mba ho havako
Niezaka aho ny hanome izay rehetra tao am-po
Niezaka aho hatramin`izay, nefa anio aho afa-po!

Afa-po tanteraka aho, tena tofoka sy leo
Afa-po tanteraka aho ka avela ianao ho eo
Afa-po tanteraka aho f`ianao tsy mety mba tia ahy
Afa-po tanteraka aho, afa-po fa aoka izay!

Sokajy : Fisarahana

Hevitra mandeha

princesseN (02/03/2009 15:30:02)

tena afa-po mintsy ve!