Anio ihany - Ny Tsiaro
Azo vakiana?
Ekena fa mafy ny fandaozanao ahy
Ka ny fanafodiny dia ny manadino
Ekena fa marary ny fo sy ny fanahy
Raozy soa tokoa nefa misy tsilo!
Nefa ve raha tsilo iray no indro fa nandratra
Raha fitia indray mandeha no nahavaky tratra
Dia azo heverina va re fa noho izay ihany dia hitsahatra hitia
Angamba tsy azo inoana, sanatria dia sanatria!
Anio ihany no marary,
Anio ihany no mijaly
Satria mbola mangina
Nilaozan`ilay tiana
Nefa anio koa no farany
Hiantsoana ny anarany
Hiantsoana azy hoe “malala”
Fa rahampitso dia hiala
Ao anaty fo sy saina
Izato fahoriana, jaly sy taraina
Rahampitso ihany koa
Dia hisy olona vaovao
Ho avy hampitony fo
Hisolo toerana anao!
Sokajy :
Fanantenana
Hevitra mandeha
winner (28/11/2008 16:53:30)
Mombamomba
Mpanoratra : Ny Tsiaro
Nampiditra : elihangyDaty : 28/11/2008
Mpamangy : 1952
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Tsy kilalalaoAiza?
Nous cesserons de pleurer
Rien ne fait plus mal
Tsy hiandry anao intsony
Une femme qui t'aime
Que le temps s'arrete
Fanantenako
C'est ça l'amour
Sakano