DIDY FOLO NY FITIAVANA (Parani)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DIDY FOLO NY FITIAVANA"Didy vaovao no omeko anareo dia ny mba hifankatiavanareo."
Jaona 13, 34
1. Aza manana olon-tiana hafa fa izaho ihany
2. Aza manao sarin-javatra ahatsiarovanao ahy
3. Aza manonona ny anaran’ny olon-tianao taloha na ny ahy
4. Mahatsiarova ny andro mamy niainantsika mba hafinaritra azy
5. Manaja ny raiko sy ny reniko dia ho lava andro ny fiarahantsika
6. Aza mamono izay mety ho rafinao
7. Aza mijangajanga ahy any anaty nofinao fa aleo ataontsika miaraka izany
8. Aza mangalatra fitia any an-kafa ianao fa raha tsy ampy ny omeko anao dia lazao ahy izany
9. Aza mijoro na mihaino ireo vavolombelona mandainga mba hanamelohana ny fitiavako
10. Aza mitsiriritra ny olon-tian’ny hafa fa ataovy ampy anao aho
Parani
30/06/2006
--------
Rohy:
Hevitra mandeha

kallakelly
(
06/12/2006 01:01)
Tena mahafinaritra tokoa satria mampieritreritra sy mahasoa ny mpifankatia sy ny mpivady rehetra. Misaotra

neo83
(
16/05/2008 07:33)
Tsara marina eeeee !

tashaa
(
12/10/2008 23:41)
tena ekana 100%

juno tat
(
16/08/2016 19:53)
@ le oui