TONGA IANAO KANEFA (Parani)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"ho setrin'ny tonkalon'i RADO hoe:HAFATRA"Tonga ianao kanefa:
Nahona no tsy izy no tonga nandondona?
Nahoana no tsy izy no hilaza sy hifona?
Fa ianao no nalefany hilaza sy hanmbara
Hamantatra,hanontany ny fandehan'ny tantara
Tonga ianao kanefa:
Nahoana no tsy izy no hiteny ny ao an-tsainy?
Fa olon-kafa no hirahany hitady izay ilainy
Ary nahoana no tsy izy no hijery ny hasambarako?
Faianao no hitsikilo ny tohin'ny tantarako
Tonga ianao kanefa:
Ambarao azy izay rehetra nolazaiko
Fa izy hiresaka amiko no hampilamina ny saiko
Fa izay rehetra hitanao;hadinoy sy fafao
Fa aoka izy no hijery,teneno ka hirao
Parani
29.05.05
--------
Rohy:
Mpakafy:
gasikarako - malichka
Hevitra mandeha
![](https://avatar.serasera.org/5e099233d30b3553a49f22abe2ed953a.jpg)
harikalo
(
20/03/2006 04:18)
dia ahoana lesy parani a!Rico ihany lesy e! tsara lesy ilay miditra ato a!tohizo ny ezaka fa mety a! tsara ny hevitr'ialahy !
![](https://avatar.serasera.org/cd356ade28b3a9be84771d0f624686c7.jpg)
proost
(
25/03/2006 09:11)
misaotra fa mormaly
![](https://avatar.serasera.org/cd21b93cfd8d6824dc2bce1a19decaf7.jpg)
cooper
(
13/07/2006 11:43)
mba asio tohiny ry Parany oe :
"ho any indray aho :"
"ho any indray aho :"