MIDONGY FITIa (Parani)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIDONGY FITIA
Raha ny fonao mitia
sy ny toky nomenao azy
No midongy, midongy fitia

Raha ny fahatsoranao
sy ilay fahendrena
No midongy, midongy fitia

Raha ilay fahadiovanao
sy ianao manontolo
No midongy,midongy fitia

Dia ho vitany ihany ve?
Ny hitrongy,hitrongy fitia
tsy vitan'ny mitrongy fitia
fa mbola miampy hafa kokoa
Tsy vitan'ny midongy fitia
fa nidongy fitia efa loa

Dia nigoka,nigoka tsy fidy
Ity voatondro ho"Tantely mangidy"

07.04.06
in Tantely mangidy
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - Fiononana - Alahelo
2662 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Parani
Nampiditra : herilanto
Daty : 24/04/2006 12:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143