FILAZANA MANJO (Parani)

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Amin'ny finoana sy fanantenana ny faniriany indray no ampandrenesako anareo fa"NY FITIA"dia nantsoin'ny fasana hody any aminy ny 17 may 2005
hoy: Ny vatana mpitondra azy
Ny saina mpikolokolo azy
Ny fo mpitahiry sy hitoerany
Ary ny aingam-panahy sakaizany akaiky


Ny nofony dia hiala ao amin'ny sain'ny vatana mpitondra azy ny 20 may 2005,ary atao veloma farany ao amin'ny fiangonan'ny haingam-panahy,ary aterina eny amin'ny fasan-drazany eny am-pony

MARIHANA FA TSY MAINTSY HISY NY FIARETAN-TORY

Parani
17.05.05
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/parani/filazana-manjo
3283 1
Hevitra mandeha
nikopol ( 17/03/2006 09:17)
ary misy fananterana bonikazo ve ?

fiaritiana ( 21/03/2006 09:07)
mahita aingam-panahy hafa2 mihitsy ny namana marina!
cooper ( 13/07/2006 13:37)
ary ngah tsy mino ny fitsanganana @ maty ny namana ?
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Parani
Nampiditra : herilanto
Daty : 15/03/2006 12:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.681