ARAHABAINA ISE (RA Freddy Jn)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Arahabaina ise,
Fa nahazo tombon-taona
Mifalia sy miravoa
Ka derao ny Tomposoa

Arahabaina velon'aina,
Sy salama aok'izany,
Ka ifalio ny andronao,
'Zay nandrandraina teto an-tany.

Nitombo iray ny taonanao,
Koa indro atolotro anao,
Tononkalo ho fanomezana,
Izay natao ho iray fehezana.

Koa mirary soa r'ise,
Mijoroa ho lehibe,
Dia raiso ho fahasoavana,
Ny andronao anio rahavana.

Izay no masaka azo omena,
Fa tsy manam-bola sy harena,
Koa veloma mandram-pihaona,
Fa any aoriana ho eo foana.

RA Freddy Jn
21 Avril 2021
--------
Rohy:
Sokajy : Tsingerin-taona - Fety - Namana
606 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RA Freddy Jn
Nampiditra : rakotoharifetrahaja
Daty : 28/04/2021 14:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147