You are here: home > Vetso

TIAKO IANAO - RA Freddy Jn

Azo vakiana?


Tiako ianao, nefa tsy iteny izany aho
Fa koboniko ato anaty tsy ho itanao
Satria mety ho sarotra ny valinteninao
Ka aleko hiafina mangina anatiko ao

Tiako ianao saingy tsy omeko mazava
fa aleoko hikimpina na dia tsy hisava
ary tsy hambarako aminao lanadava
Fa any anatiko ao miantsoantso lava

Tiako ianao nefa aleoko mitandrina
fa tsy aiko zay hiseho amin'ny ho avy
Tiako ianao fa na izany aza aleko lavina
Tiako ianao fa tsy aiko anefa ny miangavy

RA Freddy Jn

Sokajy : Fitiavana