You are here: home > Vetso

NAMAKO IANAO - RA Freddy Jn

Azo vakiana?

Namako ianao r'ilay mpananatra
'zay mpanohan-kevitra sy mpanao fefy ho ahy
Namako ianao r'ilay mpampianatra
Mba halalako ny zava-panahy

Namako ianao r'ilay fahavaloko
Satria iray ihany isika ao @Tompo
K'izany no anton'ity Tononkalo
Ilazako aminao ny ato am-poko

Namako ianao r'ilay olona iny
Na dia vao haingana aza ianao no fantatro
Namako ianao efa hatramin'ny Fahiny
F'izao vao tena akaikin'ny foko

Namako ianareo, ianareo no namako
Namako hatrany na ny olo-tsy fantatro
Namako na dia tsy mahay ahy akory
Namako ianareo efa hatramin'ny fahiny

RA Freddy Jn
16 Aprily 2021