GASY AHO? - RA Freddy Jn
Azo vakiana?
Gasy aho, gasy toa an'iza?
Mpitia ny Natiorako sa lay mpaniratsira?
Gasy an-tsaratasy sa Gasy voajanahary?
Mpiaro ny ahy sa Mpanimba voaary?
Gasy aho,,, Gasy manao ahoana?
Mpampianatra ny tsara sa mpiteninteny foana?
Mpandà la fihavanana sa Mpanivahiva ny Namana?
Mpiaro ny zon'ny Hafa sa Mpanao ory hava-manana?
Gasy aho....Gasy toa inona?
Ilain'ny Firenena sa Mpanimba izay nomena?
Mpizara izay ananana sa Mpangoron-karena?
Mpandrava izay natsangana sa tena olom-pirenena?
RA Freddy Jn
11 Mey 2021
Mombamomba
Mpanoratra : RA Freddy Jn

Nampiditra : rakotoharifetrahaja
Daty : 11/05/2021
Mpamangy : 348
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
COMMENT JE L'AIMEJE L'AIME
JE SUIS MALAGASY
JE T'AIME
Persécuteurs
MBA TIANAO VE?
TIAKO IANAO
NAMAKO IANAO
MANAIKY AHO
ARAHABAINA ISE