MBA TIANAO VE? (RA Freddy Jn)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba tianao ve raha i Madagasikara,
No hiadana finaritra any aoriana any,
Ka tsy hisy fifandirana ireo zanaka amam-para,
Fa tena hiray hina tsy misy toy izany?

Mba tianao ve raha ny mpitondra Fanjakana,
No lasa hanjakan'ny Fanahin'i Kristy,
Ka tsy hisy intsony ny fanamparam-pahefana,
Fa hirindra sy hizotra tsara ity Tanintsika ity?

Mba tianao ve raha ny mpitsara Malagasy,
No hiala @fitiavan-tena sy fitiavam-bola,
Ka ho foana eto an-tany ny tsindry hazo lena,
Fa ny tenana fahamarinana no hiseho moramora?

Mba tianao ve raha ny mpitsabo rehetra,
No matoky ny fahaizan'ilay Andriamanitra,
Ka ho moramora aminy ny hitsabo ny rehetra,
Ary ny fahasalamana no hanento manimanitra,

Mba tianao ve raha ny mpitondra Fiangonana,
No tena miorina amin'ny asa nanirahana azy,
Ka tsy hisy fanambakàna intsony ao am-piangonana,
Ary ho voavonjy avokoa ny mpiray dia aminy?

Mba tianao ve raha ny firenena maro,
No miondrika eo anatrehan'i Jesoa Tompo,
Ka ho foana eto an-tany ny karazan'ady maro,
Ary tsy hisy koa ny mifanomponompo?

Mba tianao ve raha ny Vahoaka Malagasy,
No miaina amin'ny tena maha-malagasy,
Ka ho foana eto ny adilahy pôlitika,
Ary ho foana ihany koa ny rà mandriaka?

Mba tianao ve raha izaho sy ianao,
No miara-mitoryny Filazan-tsara,
Ka na inona atrehana na inona atao,
Dia hioro foana isika ho an'i Madagasikara?

Raha mba tianao hotanteraka izany rehetra izany,
Dia mijoroa ho filamatra amin'ny finoana hatrany,
Ka asehoy fa momba anao Jehovah Tompo,
Ary lazao fa ianao dia vonona hanompo!

RA Freddy Jn
01-06-2021
--------
Rohy:
898 0
Hevitra mandeha
3004 ( 06/06/2021 16:26)
Tiako tokoa !...
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RA Freddy Jn
Nampiditra : rakotoharifetrahaja
Daty : 02/06/2021 10:12
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155