You are here: home > Vetso

MANAIKY AHO - RA Freddy Jn

Manaiky aho fa hitia
Sy hanompo an'Andriamanitra,
Hatrety ambonin'ny tany
Eny, ka hatrany an-danitra

Manaiky aho fa hiasa
Hoan'i Madagasikara
Ka hampandroso sy hapiely
Ilay Filazantsara

Manaiky aho fa hijoro
Hoan'ny Namana sy Havana
Ny fanavahana dia horesena
Fa samy olom-pirenena

Izaho kosa ho mahatoky
Sy andry iankinana Hatrany
Mba hanitsy ireo zoky
Hatramin'ny Zandry any ho any

RA Freddy Jn
21 Aprily 2021

Sokajy : Fanekena, Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : RA Freddy Jn


Nampiditra : rakotoharifetrahaja
Daty : 28/04/2021
Mpamangy : 209
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

TIAKO IANAO
GASY AHO?
NAMAKO IANAO
ARAHABAINA ISE
TSY MATY VONOINA
MISAOTRA
MPANENJIKA
LASA
AZA KIVY
ANJARA