MPANENJIKA - RA Freddy Jn
Azo vakiana?
Maro no kivy nohon'ny nataonareo,
Ka mitaraina lava sy tena leo
Izaho kosa nefa dia faly tokoa
Noho ianareo izay nitondra soa
Ny marina mantsy dia tsy fantatrareo
Fa ny ataonareo dia hanatra ho ahy
F'ianareo dia mpanao fefy ho ahy rahateo
Ka mihatsara ny ho aviko fa tsy mampanahy
Tiako ianareo satria tia ahy
R'ilay mpanenjika sy mpitsikera
Ka aza menatra ny hanenjika ahy
Taitairo foana aho sao hitaveravera
Isaorako hatrany fa raha tsisy anao
Dia mibolila ny lalan-kalehako
Koa enjeho ihany aho raha sitrakao
Mba tsy ho kivy amin'ny fiainana hatrehako
Mankasitraka indrindra ary koa mankatelina,
Vonony ny saina sy ny herinao
Mijoroa ry mpanenjika ary aza miverina
Fa sitrako loatra ny ataonao
RA Freddy Jñ
25 Aprily 2021
Mombamomba
Mpanoratra : RA Freddy Jn

Nampiditra : rakotoharifetrahaja
Daty : 28/04/2021
Mpamangy : 427
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
COMMENT JE L'AIMEJE L'AIME
JE SUIS MALAGASY
JE T'AIME
Persécuteurs
MBA TIANAO VE?
TIAKO IANAO
GASY AHO?
NAMAKO IANAO
MANAIKY AHO