You are here: home > Vetso

NY FITIAVANA - RA Freddy Jn

Azo vakiana?

Ny fitiavana raha mbola zaza
Tsara sady madio sy mateza
Nefa na dia izany aza
Tsy ho kely foana io fa hiangeza

Ny fitiava rehefa Tanora
Tsara ihany fa mbola matsora
Nefa kosa aza tsinontsinoavina
Fa vao mainka io maitso mavana

Ny fitiavana rehefa lehibe
Maharitra sady be dia be
Eo ianao vao tena hahatsapa
Fa io fitiavana io efa latsa-paka

Ny fitiavana raha antitra
Mihamaivana nefa maranitra
Tsy azo solosoloina intsony
Fa efa lany tsiro ka mora hadinoina

Izany rehetra izany dia mandalo
Fa mba hamaranako ity TONONKALO
Dia fantaro fa ny Fitiavan'ilay Ray
No tena maharitra mandrakizay

RA Freddy Jn
16-07-2020
10:17

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : RA Freddy Jn


Nampiditra : rakotoharifetrahaja
Daty : 16/07/2020
Mpamangy : 163
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

AZA KIVY
ANJARA
TILY AHO
RY TILY รด!