RY TILY ô! (RA Freddy Jn)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba henonao va re ireto olona marobe?
Mitady anao ho namana, sy hanome tanana
Sa ilaozanao variana ao anaty torimaso
Sy tambazotran-tserasera izay nitombo tato ho ato??

Miandry anao ny taninao izao anio izao
Ka vonona ary ve ianao hanafaka azy izao
Ny Tompo no manainga anao, mitsangàna ka sahia
Ny heriny no omeny anao, hatreto ka hatrary

Ireo malagasy namanao no miandry izao
Ary ianao izay #Tily no hijoro hanafaka
Ka #Tano_ny_finoana mba ho #Ampinganao
Hanoheram-pahavalo izay mitady hamotika

Ry Tily ô!!
Aza dia matoritory fa mifohaza re!
Ny fahantrana mampahory no andeha ho resena
Fa ny Tompo, ny tanindrazana ary ny namantsika anie
No manainga sy maniraka antsika izay efa nanao #Fanekena


RA Freddy Jn
12-07-2020
09:30 Matin
à Ambatolampy Antehiroka
--------
Rohy:
Sokajy : fananarana
495 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RA Freddy Jn
Nampiditra : rakotoharifetrahaja
Daty : 16/07/2020 07:04
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149