TILY AHO (RA Freddy Jn)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tily aho, tily malagasy
ka handeha hanasoa ireo namako rehetra
indrindra fa amintsika Malagasy
izay fiaraha-monina mbola tiako hitoetra
Tily aho ka sarotra ho ahy
no hamela ireo zandriko hangahiahy
indrindra fa ity tanindrazako ity
izay mbola hitoerako rahatrizay
Tily aho ka tsy handà ireo andraikitro
ny amin'ny asa fanompoana an'Andriamanitra
ny hoan'ny tanindrazako ihany koa dia hosainiko
dia ireo namana sy ny ambanin'ny lanitra
Tily aho ka hiaro ny tontolo manodidina
f'izany dia anisan'ny lalàna izay nekeko
na biby mandady na manidina
dia samy hotandrovako na tsy an'ny fireneko
Tily aho ka ho andrin'ny fianakaviana
mba hianteherana anio, rahatrizay
sy hanompo an'ilay Jesoa tena tiana
ary ho vavolombelony tsy amin'ahiahy
Tily aho ka vonona hatrany hatrany
Tily aho ka hiaritra na ho tsikyna ho tomany
Tily aho ka ho mirana sy ho faly lalandava
ka hitsiky hatrany hatrany satria Tily aho
RA Freddy Jn
Jolay 2019
--------
Rohy:
Sokajy : ahy
545 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RA Freddy Jn
Nampiditra : rakotoharifetrahaja
Daty : 16/07/2020 07:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0213