You are here: home > Vetso

Adala angaha ianao - RAKOTOMANANA Christian Gabriel

Azo vakiana?

Adala angaha ianao
Tsy tia mifanakalo hevitra
Tonga dia andao andao
Midona vao mitsingevitra

Adala angaha ianao
Ka hoe tonga dia alefaso
Tsy misy hoe ity fakafakao
Rahefa sendra tsy mety, vao hoe tapeno ny maso

Adala angaha ianao
Manohitra izay mampandre
Mandà zava-baovao
Fa ny ianao ihany no izy, satria ianao no lehibe

Adala angaha ianao
Manao didy midina
Ny sainao kanefa efa lao
Ny sasany sakananao raha mba hisidina

Adala angaha ianao
Lavitra anao ny fahadisoana
Nesorina tao an-tsaina raha mba sao
Ianao no nentin'ny fahamamoana

Adala angaha ianao
Tsy misy hatak'andro
Ity ataovy izao dia izao
Vitaina alohan'ny milenti-masoandro

Adala angaha ianao
Hoe tena tonga lafatra
Mahery indrindra @izao tontolo izao
Ka hoe izaho atao filamatra

Adala angaha ianao
Zara raha fa fantatrao ny hafa
Tia tena, tia vao
Tojo irery vao hifafa

RAKOTOMANANA CHRISTIAN GABRIEL

Sokajy : fananarana, fiainana