Tano ny azo fa sarotra ny mila - RAKOTOMANANA Christian Gabriel
Azo vakiana?
Tano ny azo fa sarotra ny mila
Izany ilay fomba fiteny hatrizay
Karakarao, aza avela ho may na ho kila
An'olon-droa io fa tsy an'olona iray
Mifanantona dia miresaha tsara
Teneno ary ambarao izay tsy zaka
Avoahy daholo aza maramara
Avelao izy no hamakafaka
Tsy tiako ianao, halako, mandehana mandeha.
Voateny daholo ny rehetra
Tsy tadidinao angaha fa efa voatombo-kase
Ka hoe aina no fetra
Ny tiana hambara dia izao
Ny fiarahana tsy mba ilaozan'ady
Mifandefera raha mbola azo atao
Aoka hifanohana fa izay no maha mpivady
Mpanoratra: RAKOTOMANANA Christian Gabriel
Daty: 02/07/2020
Mombamomba
Mpanoratra : RAKOTOMANANA Christian Gabriel

Nampiditra : lekkra04
Daty : 01/07/2020
Mpamangy : 649
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Tiako be i mamaFahaleovantena
Ny teny malagasy
Ny fahalalana
Covid-19 - Mada
Adala angaha ianao
Paradisa
Fihaonana voalohany
Efitra kely voafono fitiavana
Ilay feo