Ilay feo - RAKOTOMANANA Christian Gabriel
Azo vakiana?
Tany karakaraina lavitry ny ando
Izato fanahy toa verivery dia
Mavesatra mitombo isan'andro
Tsy mampifantoka fa mampiriaria
Betsaka no hita betsaka no niaianana
Ny andro anio ho tanterahina, izay mitranga tsy hitarainana
Ny rahampitso ho torak'izany
Dia ho toy izany hatrany hatrany
Vao mifoha maraina, ny maso mijery
Ngazana no hita ny saina teritery
Manontany tena ny amin' ny antom-pisiana
Boda ny loha, iny dia variana
Entin'ny eritretitra any ambadika any
Injany misy feo, feo mitomany
Nozohiko ny ako, manintona ahy ny zava-mitranga
Ny tenako no hita, hita manangasanga
Natomboka ny resaka, natao fifamaliana
Napetraka ny olana iarahana hodinihana
Voafintina ny rehetra, milamina ny paikady
Izany no atao miaraka, mba tsy hiaraka any an-kady
Nampiharina ny zotra ka lafitra aok'izany
Tanteraka ny vina, satria koa niampy ny fahefàny
Toa ary ny rehetra, maivana ny anaty
Mirana ny endrika tsy endrika voabaty
Alina ny andro, injany indray ilay feo
Efa mahazatra izany ka tsy hatao hankaleo
Tonga indray izy, hametra-panontaniana
Ny amin'ny rahampitso, ka nahangataka ahy mba ho liana
Mialohan'izay anefa, tiany no nampahafantatra
Androany tsy voalohany, tsy farany na koa hoe santatra
Nolazainy t@ feo tsotra malefaka
Fa miaraka aminy izaho ho ravo sy ho faly fa tsy mba ho reraka
RAKOTOMANANA Christian Gabriel
Mombamomba
Mpanoratra : RAKOTOMANANA Christian Gabriel

Nampiditra : lekkra04
Daty : 22/04/2020
Mpamangy : 381
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Tano ny azo fa sarotra ny milaTiako be i mama
Fahaleovantena
Ny teny malagasy
Ny fahalalana
Covid-19 - Mada
Adala angaha ianao
Paradisa
Fihaonana voalohany
Efitra kely voafono fitiavana